ANDROANY FOTSINY (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina ny alina
mangina ny tontolo!
fa any ivelany any
alika mitomany
sy siokam-borondolo
...mampitsangam-bolo!
Noro a,
raha toa tsy mandry ianao dia
sahala isika roa
malaza ratsy mantsy ity tanàna ity
hoe feno matoatoa
sy misy kalanoro
ary io harivca io koa
dia reko reo vehivavy
teo ampatsakana nifampidohika mafy
fa aty ny mpamosavy
dia toy ny ramanavy
ka tsy mitehan-tany
raha tsy efa hanitsa-pasana.
Noro a,
ianao ve tsy matahotra?
Maninona raha ndeha hitambatra fandriana e?
Ny lamba rahateo tsy ampy sy hijaliana
fa ny andro moa ririnina...
Noro a,
avia fa tsy maninona!


...Mba androany fotsiny e!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1916 1
Mpakafy: rivaando
Hevitra mandeha
miaryntsoa ( 03/07/2010 08:26)
tsara le aingam-panahy a!!!mankasitraka e!!
rivaando ( 09/07/2010 13:03)
msotr e!!!!!!!
badoul ( 07/05/2012 16:11)
mafinaritra e!!!mazotoa foana manoratra.
kiriah ( 16/09/2012 09:54)
Ity le tnkl nahalava resaka be iny ry RIVA an !!!! , aiza i le ROA adala be reny amin 'ity ? , hahaha!!!
rivaando ( 12/12/2012 15:58)
Kiriah, hay ve nji mresaka amko aty e? za ts dia niditr tato tsony koa, hihi, itako reo tonokaloji tato mants, mlay e
kiriah ( 12/12/2012 20:18)
ianao variana be kou ! , hadinonao angaha ny asako ? hihihih!
rivaando ( 28/01/2013 04:50)
hahahaha, nataoko fa efa ni-demission euh :)
kiriah ( 28/01/2013 12:07)
demisionina aôna ary ??? tsis akidemisionina kosa teo an! , mdr!
raozigasy ( 22/04/2013 15:24)
ankafiziko koa ity mpanoratra ity an !!
mampamangy any amin'i noro ee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 01/07/2010 11:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0284