HO AZY (Riva)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AZY


Ialao tsiny aminy
ry "tiako" sady "maminy"
fa hono hoe, tsy tantiko,
na dia tsy tokony aza
ny hanginako tsy hilaza
ny fitiavana ato anatiko.
Dia lazao ho fantany
fa ny tsy ny hanala anao
efa fikiriny eny antratrany
fa hipoka ny fatran'
ato anaty foko
k'ataoko fa mba zoko
ny mamboraka azy.
Tsy maintsy ho tezitra izy
ary rariny dia rariny
izay ho hasarotam-piarony
f'izany koa mba zony
nefa toneo ny fony
fa tsy izay hatezerany
no mety ho vahaolana
amin'izay ho fiarovan-toerany

...SATRIA IANAO NO ERANY!!!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1625 1
Fans: kiriah
Commentaires
ANARIM ( 29/01/2010 11:27)
sarotra be!!! sady mampatahotra ....!!! fa dia mahereza!!!
rivaando ( 01/02/2010 06:10)
hihihi, msotr amle oe mahereza f io nge tononkalo ftsn e. TS VOTERY HO FIAINANA!!!!
Mb aingapanah tenoeny d nosoratana. ZE SENDR OTRZAY D MAEREZ...Mety ho betsk an!!!
kiriah ( 12/12/2012 20:20)
milay e !
raozigasy ( 22/04/2013 15:26)
ao tsara eee
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Riva
Inséré par : rivaando
Date : 26/01/2010 11:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142