Bibibiby ny olona (Rongo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Bibibiby ny olona

Ianao nitia ny fony,
nitia ny marolafiny;
izay mety ho fahalemeny
hatramin'ny kilemany!

F'ireny tsy tsaroany
fa difotra ny masony,
ka mainty izay jereny
noho ny fitiavan-tenany!

Ianao ilay be fitsetra
tsy mba nanidy tanana,
nanolotra tsy niato
fa nentim- pahatsorana.

Fa ny ao an- tsainy anefa,
handavo anao an- dalana;
hiredona lamako
vao Ianao no tojo olana!

Ny amboa raha manoloana,
tsipazanao indray maka;
miriotra sy mirimo
mahatsiaro vao mahita!

Fa ny olona aman- taona
tinaizanao tan- dapa,
mahavita manadino
ao anaty iray minitra!

Bibibiby ny olona...
Fa tsy mba toy ny alika...!!!

Rongo, 2021
--------
Lien:
69 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141