Mino va ianao? (Rongo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mino va ianao?

Tsy hahatazona minitra
Tsy hahaverina ny lasa
Saingy maha isika antsika
Ny manahy sy ny mikasa

Ny olombelona fimaty!
Zotra iray ny manan'aina
Saingy fahamboniana anaty
Ny fananantsika saina!

Isika izao tsy nofo ihany
Izay no ataovy an- dohanao
Ny fodian'ny nofo ho tany?
Fiandohana iray vaovao...

Mino izany va ianao?

Rongo, 2019
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
72 1
Fans: Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138