Ny asasoratrao (Rongo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny asasoratrao

Ny asasoratrao miranty?
Ninoninona lazaina
Na io aina ho an'ny maty
Na mahafaty koa ny miaina!

Fa ny teny mantsy miako
Masina io sy saropady
Raha fanasina matsatso
Iza indray no hahamasina azy?

Ka ny soratrao sakaiza
Lalana aiza no hizorany?
Tanjona aiza no hifotorany?
Raha nateraka izy androany...

Hafiriana no hahavelomany?

©️Rongo, 2021
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
225 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143