AMPY HO AHY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPY HO AHY

Te hanoratra ho anao nefa miahotra ny tànana,
Toa tsy ampy izay ananana hilazàna ny anaty ao;
Aleo apetrako ny penina,
Aok’izao…aleo afenina…

Te hiresaka aminao nefa mibada koa ny lela,
Mamatotra toa tsy mamela ny didy, fomba amam-panao;
Ataoko ampy ny mimaona,
Izaho efa faly, afa-tsaona...

Te hahita anao indray nefa manahy ireto maso,
Sao hosembanin’ny ankaso ny làlantsika tsy ho iray;
Ampy ireo nofy sy vinany
Tafahaona any ambony any…

Te handre ny feonao mibitsibitsika fitia,
Tsy manantena ny “ho doria”, ampy ny hoe “hatrizao”…
Ampy ho ahy koa ny mino
Fa ianao tsy mba manadino!

Ryana
(27/07/08)
--------
Rohy:
2979 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098