Malala a. Any lavitra an (Sitraka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a.

Any lavitra any
Raha sendra ka tomany.
Dia mba tsarovy kely ity tononkalo ity.
Raha sendra ka irery sy tsy ampiampy hery
Avereno an-tsaina fa mamy ny mitia.


Raha sendra ka mijojo ny oram-batravatra
Iny sariko iny fihinina eo an-tratra.
Raha sendra ka mamely ny masoandro lohantaona
Aza hadino velively fa izaho dia miandry foana.


Raha sendra mahangoly ny fanalan'ny ririnina
Tsy mampahita tory, tsy misy mba fihinina.
Tsy manadino akory ny malalanao fa any
Hainy ianao fa ory sy trotraka amin'ny tany.


Ka aza avela ho faty fa fikiro mandra-maty tsy hiala ao anaty ilay fitiavana mahery.
Aza avela ho maina sy ho lasa karakaina fa velomy sy asio aina ilay fitia mba tsy ho very.


Sitraka
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2351 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Sitraka
Inséré par : sitraka Feno Tanteraka
Date : 05/07/2017 01:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141