DADA HONO IZANY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny anay, hono, Idada no tena bogosy :
Mpandany andro mizaha fitaratra,
Kanefa, na ariary aza, tsy hita ao am-paosy
Toa ny an' Idadan' Ikoto ao avaratra!

Ny anay, hono, Idada no tena tomady:
Lava, ranjanana sady salama! ...
Saingy isan' andro dia miady mivady
Fa ny azy ny sipa mameno tanàna!

Ny anay, hono, Idada no tena mahery :
Ilay bokon' hozatra sady be tratra ; ...
Voatsaingo-totohondry 'zay be jerijery
K' aleo dia mitsoaka, fa sao dia maratra!

Ny anay, hono, Idada no tompon' ny didy :
'Zay zavatra ambarany, marina foana ;
Tsy maintsy ekena, tsy afa-mifidy, ...
Mihafy, voatoto toa vary ao an-daona!

Ny anay, hono, Idada no ilay Dada tsara
Hatao katalaogin' ireto mpitraina :
Tsy mandika tsena, tsy mandalo bara ;
Trondron' Anosy ka mamo maraina!

Ny anay, hono, Idada no tena milay :
Tapi-pahaizana tany an-tsekoly, ...
Fa mampalahelo, fa tsy mba mahay
Izay abidian' ity Baiboly!

Ny anay, hono, Idada no tena vedety :
Mitendry gitara sy mihira koa; ...
Avadiny aoriana ilay kasikety :
Boay kely, hono, izy fa tsy Radadatoa!

Ny anay, hono, Idada tsy toa ny anareo :
'Lay Dada mangina tsy ahitan-teny!
Saingy raha sendra aharenesana feo
Dia toa vara-datsaka, an-keniheny!

TebokaTelo
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - Ady - fiainana
2011 0
Hevitra mandeha
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:34)
Kôz a !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : bikabika
Daty : 17/03/2010 13:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098