INAY ANIE AHO (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INAY ANIE AHO! Inay anie aho, ka voro-manidina
ho afa-hisidina
Hitety irony habakabak' irony
eny an-danitra ambony ;
Kinanjo, indrisy, fa tsy afa-manoatra
sy tsy afa-mitroatra,
Fa hazo tinapaka amoron' ny hady
ka mandadilady.

Inay anie aho, ka dihim-bazaha
hatao fampitaha,
Hampisonenika fianankaviana
sy namana tiana ;
Kinanjo, indrisy : na dihy ao anaty aza
toa matimaty,
Voafingan'ny taratry ny tsy fisiana
S' ireo fahoriana.

Inay anie aho, valiha sy lokanga
mameno ny banga :
Ny bangan' ny fiainan' ny ambanilanitra
te ho salanitra ;
Kinanjo, indrisy, fa toa maosimaosy
sy toy ny kabaosy
Tapa-tady ho tendrena, rangotin' ny tanana
K'injao fa mamalana.

Inay anie aho, ka olo-malaza
sy tena sahazan'
ny andro ankitrio; kinanjo, tsy ahoana
fa toa olom-poana,...
Ho solon-tsakafo marain-tsy hariva
mamelona antsiva
Dia hazakazaka arahina tosika
no abosibosika.

Inay anie aho, ka mamim-bahoaka
sy tena mivoatra :
Tsongoin' olom-bolo amin' ny tany ama-monina,
ka dera no angonina,...
Kinanjo, indrisy, raha toa ka fehezina :
Havan-tetezina,
Fanaon' ny olo-maro ho solon' ankalana
Amoron'ny lalana.

Inay anie aho, ho toa anareo
mihaino ny feo :
Mandinika tsara ny zava-boambara
Sy tohin-tantara ;
Inay anie aho, tsy handre "INDRISY"
Amin'ny zavatra misy ;
Ka hanakoako 'ndray ny "SOA IHANY"
Maneran' ny tany.

TebokaTelo
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - fiainana
1621 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 21/03/2010 06:57)
Inay aho eritreritra
Afaka nande malalaka
Hamonjy anao hatrany
Tsy hahatsiaro valaka

Inay aho fitaratra
Jerenao marain-tsi-hariva
Ahafahanao mamantatra
Raha sendra ka misy iva

Inay aho fiarakodia
Hitondra anao hiria
Hanao zay baikonao
Tsisy sitrapo atao

Indrisy nefa indrisy
Inay ihany zany
Inay zay tsy hisy
Hatrany am-paran-tany
kalonantitra ( 03/08/2017 08:03)
Misaotra tamin'ny setriny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : bikabika
Daty : 17/03/2010 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014