Maina ny tany (Teboka Telo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nivadika ny rasa: ny ambony ity no lasa ambanyNy kere zay tany atsimo no tonga eto an'ivon-tany!
Any atsimo indray izao no lozabe sy tena angano
Oram-batravatra, izao: tondra-driaka, tondra-drano!
He! Ikopa! Zary maina! Mirakaraka be ny vato!
Mitriatra koa ny tanimbary; fa hain'andro be tsy miato!
I Mandroseza, aza, hono, andro vitsivitsy sisa
Dia ho maina, karakaina,... Fa ny rano dia ho ritra!
Ndao hatambatra ny hery fa loza, antambo, ity sy ankaso
Ndao hiaraka hirona; hanangona ny ranomaso
Hanondrahana ito tany: maina, kiana, karakaina,...!
Miomàna isika rehetra fa ho mafy ito taona
Fa fahavaratra aza ity no zary miendri-dohataona!
Dia fehezo, re, ny kibo ary ampionony koa ny saina!!!
Teboka Telo
--------
Lien: