TSINONTSINONA AHO (Teboka Telo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kely sady bitika aho, kely sandry ka mifonaMora lavo mikodia raha misy sahy mandona!!!
K'avy hatrany dia mirona...
Rah tojo mpila ady, ngeza tratra misafoaka
Tsy mba haiko ny komondry k'aleoko dia mitsoaka
F'izaho tsy mahtanty sôka!!!
Haingo sy lamaody ve, sa akanjo tsara didy?
Tsy mba azonay natao ny nidongy sy nifidy,
Fa zaitra an-tsana, fara-fidy!!!
Ka izay nomena anay : tsotra tsisy be parady
No tenaina isan'andro sy anaovana Alahady,
Nefa, rovitra sahady!!!
Ny fahaizana ary ve no andeha mba hadera?
Olom-bado rah ty zaho, votsa na mitana fera!
Tena mitaveravera...
Izaho no bado, tsy mahay; tsy manana talenta hafa,
Afa-tsy mitoto vary sy mitazona kifafa,...
Zany aza mbola hafahafa!
Tsara bika angamba aho, dongadonga, bakobako!
Fa ts'izany velively fa ny tava, he, RAJAKO!!!
Zay aloha dia lazàko...
Masobe midiridiry, volo zara misy sanga,
Molotra mivindavinda ary nify bangabanga,
Sofina lava sy ranga!!!
--------
Lien:
Catégorie :
Hatsikana
Fans:
kalonantitra