Diso (Ted Raz)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ditra ange ny antsika e, Efa hitanao ny marinaF'ianao mbola minia sy miezaka manarina
Mikolo tsy ankiteny sy angalatra sonia
Fa lainga izay ho matotra na tia ianao na tsy
Satrinao fa haiko ny lalanay hisampana
Ny andratra ny fony sy animba ny tantana
Ekeko nisy isika fa lesoka nandalo
Tiako loatra izy ka tsy foiko atakalo
Izy tsy mba diso fa antsika ny hadisoana
Ka aza avela ho izy no hibaboka hifona
Fa tia ahy koa izy haiko ny ampony ao
Efa izy ilay notiaviko sy ilay talohanao
Ka ny amitsika raiso ho tsiky diso tendry
Fitia diso fiantefa na ditra mody hendry
Tiako ianao fa saingy, efa izy ilay malalako
Avelao ny lasa meteza ianao ho namako
--------
Lien: