FITIA MANALASALA (TIANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA MANALASALA Na aza ianao andrahona ka hanao toy ny mamo
Kotaba ny an'ny sahona fa tsy azy koa ny rano
Na impiry ianao hamerina ny zava-bitantsika
Ny atao no miverina... ny atao mbola ho hita
Na aza hanambitamby imbetika avy miady
Ny valala, na bemandry, ts'indroa mandry ambavahady
Aza sendaotra foana ka hiseho hampifila
Ny azo tano foana fa sarotra ny mila
Izao no teniko e
Hajao ny fitiavako
Matora dieny izao
Tiako ianao rahavako
Ka asakasakao
TIANA
--------
Lien: