Hitia indray (Tiarah)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa mihalefy ny toloko
Miha mientana ny foko
Mandondombaravarana indray ilay fitia
Hiventso indray ny fo kely ,hanonofy ,hiara dia


Nefa izay rehetra mitranga toa ahatsiarovako azy
Ny fihetsiny ,ny fitenininy ,ireo sangisangy vazivazy
Izy ilay nantenaiko, kanjo làsana , indrisy
Ho olonkafa indray no hizarako, ireo niarahanay tsy nisy

Tsy ho haiko ny ampitso, ny fiainana hitohy eny ihany
Fa ny fitiavako azy tsy ho adino , tena fy , tena mamy
Dia havadiko ve ny pejy, ho tohizako , asa!!!
Iriko mafy ho tandindony , hanohizako ny efa lasa.
--------
Lien:
972 1
Fans: oracle
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145