Raki-tsary (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAKI-TSARY

Ny nahitako
Azy farany,
Dia nanako
Ny anarany
Tao an-tsofiko
Ela tao ...
Zary nofiko
Izy izao !

Efapolo
Taona lasa
Ilay tontolo
Io mandatsa !
Raki-tsary
Maromaro
No manjary
Voatsiaro.

Tovovavy
Iray bikàna
Indro avy
Nigagana :
Volo kanto
Voamboatra
Izay milanto
Tsara loatra
Sy sariaka
Tarehy,
Hampihiaka
Hiantso hoe :

"Iza moa
Ianao
No dia soa
Tahak'izao
Sy tomady
Hianteherana
No sady
Fanaperana ?"

Anio anefa
Dia foana
Izay efa
Fa ireo taona
Efapolo
No nandoto
Ireo volo
Misafoto ;
Mampihataka
Borosy,
He misasaka
Ny fotsy !

Mangoraka
Aho fa aoka !
Miroraka
Ny saoka,
Mikentrona
Tarehy,
Botrefona
Fandeha !

Ary izaho
Moa no loza !
Mitalaho
Mitavoza,
Efa sola
Tena koaka
Sady tola
Mampitsoaka
Tsy hahajery
Izay fitaratra
Fa miery
Raha miharatra ;
He mihena
Hoza-pe
Mivembena
Raha mandeha !

Dia misaotra
Ry Nahary
Nanamboatra
"Raki-tsary"
Voaraikitra
Ao an-tsaina ;
Mety hanaikitra
Ny aina
Ho afero
Saingy ilaina
Mba ho vero,
... Mampisaina !


Toetra RAJA
06 janoary 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1763 1
Mpakafy: zakilinina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : pissoa
Daty : 30/06/2006 05:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149