NY LALAKO (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALAKO…
Raha iny lalako iny…,
Dia aleoko ,mandeha irery,
Fa ny dian-tongotrao
Tsy mendrika …ireo fery…

Aiza re i“Rova izay mirehitra jiro”?
Hazavao ity lalako, izay tsy misy hombana
Ka raha mba misy mamy any re,ampirimo!
Mba ho an’izay,tsy mba misy ambim-bava!

Toa mikitroka anefa ,no sady manjavona
Izato fijeriko ny alan’angavo
Ijao nofohaziny ny efa nivalona
Ka nahatonga ny rano,hiloko ho mavo!

Indrisy ihany koa fa mbola ny mainty,
No manarona indray,ny kely efa jamba,
Raha toa ka azo atao dia hiteny “tsy maintsy”
Hamono ny afo mandoro ny lamba!

AMPIO AHO…

Kanefa,raha iny ny lalako iny…
Dia aleo aho andeha irery
Fa ny dian-tongotrao
Efa laniko tsianjery…

Tsanta MiKANTO 141122
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Namana - Alahelo - fiainana
1292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106