Ny foko... (Tsikiko)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko ry Jesosy, Anao irery tsy an'olona
Aza avela hisy haka, na hiady na hitolona
Fa arovinao amin'Ilay tananao mahery
Dia ho sambatra aho, eo an-tratranao irery

Eo akaikinao no tiako hisy ahy
Eo an-tratranao no zara-mamin'ny fanahy
Eo an-tsandrinao Jesosy, eo no tiako indrindra
Ny tananao mitantana, tsy ho diso ny famindra
--------
Lien:
2491 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsikiko
Inséré par : tsikiko
Date : 04/02/2004 13:37
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163