Ho anao (Tsiroa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao,
zay maro anisa
ka mitady 'zay mba ho hita
Tsy mampisy disadisa
Ho anao

Ho anao,
no hanoratako
ho anao no hisasarako
noho ianao no hanandratako
zao feo izao

Ho anao,
Izay misasatra
mikely aina mba hanandratra
ary koa tsy miambatrambatra
'zay vitanao

Ho anao,
zay manetsetra
zay mivavaka kanefa
Tsy hita ihany zay mba efa
ho anao

Ho anao,
Izay mahantra
manantena ny hitsaka
amin'ny olana mihantra
ho anao

Ho anao,
no anolorako
Ny tonon-kalo zay atolotro
avy ao am-po fa tsy eo imolotro
ho anao


Ny ' dia amin'ny( eo amin'ny andalana faha-3)

Saturday, May 5, 2012
--------
Lien:
Catégorie : Fampaherezana
1121 1
Fans: kiriah
Commentaires
kiriah ( 06/05/2012 11:27)
misaotra ary e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiroa
Inséré par : Tsiroa
Date : 05/05/2012 21:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137