Tsy ahasakana (Tsiroa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy betsaka no tiako
F'ianao no faniriako
ny ho eo anilako eo

na lavitra tazanina
tsy ataoko hampihanona
ny ahatongavako eo

reo olana manakana
tsy ataoko ahasakana
fitia izay naseho

Ilay tolotra fitia
maharitr'ho doria
lalim-paka rahateo

reo zavatr'hita maso
tsy hataoko hampikatso
fo midoboka indreo

fa ny fitiavana aza hajanona
atolory,aza tanona
izy rehetra no omeo
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1587 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiroa
Inséré par : Tsiroa
Date : 02/11/2012 10:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143