Voady (Tsiroa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy anjara fa safidy
no hiarahako aminao
Eny harena sarobidy
Ny mitoetra anilanao

Na ho ratsy ny hiafarako
Dia hifikitr'aho satria
nahantanty ny hadalako
zay porofon'ny fitia

hiova aho, tsy haditra
ka ny tsara no ho zaraiko
Ary hiaraka hamindra
fa tsy hanohy ireo fanaoko

Anatrehan'Andriamanitra
no hanaovako ity voady
ny fitiavako haharitra
ho anao andefo-mandry

Ahitsio ra' toa solafaka
olombelona ihany
satria ianao no mahafantatra
Ny ahasoa ilay ankany

Dia ho andry hifaharako
mandritry ny andro izay hihainana
hintantana ireo fananako
hanampy sy hanolon-tsaina

Ny vahoaka manoloana
no aoka ho vavolom-belona
n'voady anie tsy zava-poana
fa vely rano zay tenenina
--------
Lien:
2768 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiroa
Inséré par : Tsiroa
Date : 01/11/2012 23:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014