Zanako (Tsiroa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny nihilana ny andro
Satria lasana Ianao
Tsy hita intsony ilay masoandro
Sombin'aina no nandao

Dia lasa ianao ry zanako
Malahelo ireo Tiana
Tsy tafandry ireo namana
Fa nidonam-pahoriana

Zato fihainako mangidy
Tsy ho hisy intsony fahasambarana
Fa tsy ahy ny safidy
ngamba izay no fandaharana

Ny ranomasoko tsy ho ritra
ahatsiaro anao foana
Ireo tsihahy tsitanisa
Ry rangolahy, o nahoana

Any heriko mitany
Satria lasa mo ianao
Ho tsarovako hatrany
Ireo zavatra fanao

Andriamanitra O nahoana?
Nesorinao ilay fananako
Mahatsiaro babangoana
Nandao ahy ity anako

Ianao toa tsy nihantra
Ahy ity 'zay manirery
Ity zanako zao lasa
Mahatsiaro zaho fa very

Nefa mbola ampionony
Raha miondrika mijery
ka tsy halahelo intsony
na migodana izany fery

Ny hirifiry mamanala
hiaretako satria
Ianao no mahalala
ny fihainanay ety
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
1384 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiroa
Inséré par : Tsiroa
Date : 12/02/2015 00:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139