SAMBON'AVELO (Zo-Maminirina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBON'AVELO(Ho an'i Niry-Solosoa noho ny LOLON-TSAMBO)
hay mety ho manin-tseranana ihany
ity noheverin-ko avelon-tsambo
nidingina rambo
fony nanainga ?
tsy haiko ny handainga
fa latsa-tomany
niverina ilalana, tsy nety tamanan'
ny lango malefaky ny hiran'angola
nadolan'ny vola
fa nanarangarana ilay niaingàna.
noheverin-ko avelo na koa hoe nanangatra
fa tsy narendriky ny onja maria
k’injao mandona ny morona ety!
kanjo lasan'ny hafa ny ritso-baliha,
vazo hafa indray no tinendry ka fy!
na sambo vao aza mafy, mateza,
raitra, tsy bitika nefa tsy ngeza.
ny azy, toa vizana ‘ty mpanamory,
ny aty, tsara tohana miondam-bilory!
tsetra miserana sisa mandalo
fa izy efa vita, efa voatakalo!
ô! ny aty tsy mba taitran'ny avelon-tsambo
fa vonon-kisetra ny onjan'antambo,
raha izy nijihina, ny aty nanan-kambo,
tsy taitran'izay maso vao... feno ankosotra,
tsy aty no nitsipaka f'izy no fositra
k'aleo izy ho any!
Zo-Maminirina
01/10/2009 (00 ora 23)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Fiononana - fanantenana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy - ahy
Commentaires
kiriah
(
22/02/2012 13:47)
tsara e!
Zoom140268
(
22/02/2012 15:29)
Misaotra indrindra e!
ikalamako
(
20/08/2019 18:28)
tiako loatra... ayéééé mazava tsara ilay sarinteny rehetra - hehehe.