Tu es "'amour!" (VALE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tojo anao,

Kisendrasendra tamin'izay andro izay,
nahalalako anao, tsy nanenenana
zaho nangetaheta fitia, ny anao toa izay koa
ka dia nifanojo isika roa...

Indraindray toa mahery vaika ny fiantefany
ka babo,lavinao tsy misy fetra
taona folo nifandimby, no nihainako tety
fa ianao no azoko antsoina hoe "fitia...!"

Na dia any an'alin-kisa tsy hay refesina
ilay fitiavantsika toa tsy voasakan'izany
efa vonona hifampizara aminao,ty foko,
Na fifaliana, na koa toloko!

Malefaka indrindra raha ianao,
Ka resinao, toa mirediredy aza,
Eny tsy kilalao sanatria, na fitavan-jaza...
Ny antsika hiriko ho doria
fa tsy ho semban-drahona akory sanatria!

Anao manontolo, ilay fitia izay mameno,
ny foko izay nibaby tanam-bokovoko
No indro tojo anao, ka afa-jaly...
Maniry ny hifankahita tsy ho ela,
raha sitrak'ilay Tompo!

Ka ny sisa rehetra izay manaraka,
apetrako aminy am-pahatokisana,
izy ihany no mahalala, izay lalana efa nosoritany...
fa raha ny faniriako dia ny hiara-dia doria, hiaina ilay fitia!

Tsy kivy ary koa manantena,
fa izy no mahay izay mahasoa
ankehitriny anefa tsy haiko ny tsy hisaotra azy, fa kanto loatra
ilay fitia nifanekana, ka na ho ela na ho haingana.. zaho hiandry anao, haharitra ilay fitia!...



(An'i K..le)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fifaliana
1656 1
Mpakafy: maeva74
Hevitra mandeha
maeva74 ( 15/06/2009 07:04)
Ilay tena fitia , kisendrasendra foana nefa ....., tsa
maeva74 ( 15/06/2009 07:06)
Ilay tena fitia , kisendrasendra foana ka nanjary tena lalim- paka nefa ....., tsara ilay tononkalonao nankafy tokoa ny tenako
fahamarinana ( 15/06/2009 07:25)
hummmm !tsara zany tononkalo zany rey olona o ! Tena kisendrasendra marina tokoa an !
vale ( 05/12/2012 05:34)
Misaotra betsaka maeva74 sy Fahamarinana!!! ;)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VALE
Nampiditra : vale
Daty : 12/11/2006 02:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141