Fitia adaladala (Vetso mena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Efa ela ihany aho, no naniry anao ry tovovavyEfa ela no naniry, naniry anao ho lasa vady
Kanefa hay moa fihetsem-po miserana ihany
Tsy ho tanteraka intsony izany raha ny androany.
_ Na naniry aza ny fo, ianao efa an'olon-kafa
Tsy ho ahy intsony na dia niriako ho fananana
Saingy ny foko tsy hanaiky ry tovovavy iriako
Fa mbola mikasa anao hatrany ny hovadiko
_ Ianao ry tovovavy, manembona ny fitiavako
Ianao ry tovovavy, no mahalasa adala ny fiainako
Ianao ry tovovavy, mbola tiako foana hatramin'izao
Na dia fantatro aza, fa efa manana ny olon-tianao.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana