Ilay foko (Vetso mena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ tsy tiako ianao ry fo, nefa tiako koaFa ianao hiavian'ny ratsy, mpamokatra soa
Manome fakam-panahy toa hafahafa
Ka nampitsiry mafy ilay fitiavana
_ tsy tiako hoy aho, satria toa mampijaly
Rehefa ilay voadona ka mahatsiaro ho fay
Mahatsiaro ho resy sy toa tsy mampanantena
Ka nahatonga fahoriana mampamono tena
_ tiako ihany anefa fa mampitsiry tantely
Ka nanome teny mamy feno rotsirotsy kely
Eo lay teny hoe " tiako ianao" mampiray
Ka nampitombo ilay fitia efa tany..
_ ka tiako ianao no mbola sady halako
Ry foko malzmy, mahery sy malalako
Mitondra hery hafahafa, 'zay mampiray
Nefa koa mitsimbadimbadika, ka mahafat
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy