Mahantra aho (Vetso mena)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ fantatro ary tsapako ilay fahantrakoMampakivy, maha-ory, namparary anaty
Fantatro ary aiko, fa tsy manana aho
Toy izay no hilazako ny androko androany
_ mahita ny manodidina aho, toa mba manana
Mahavita mividy akanjo, mihinana etsy sy eroa
Izaho toa irery, ato anaty akanjo tokana...
Rehefa mahita hohanina iny, dia efa mahasoa
_ eny an-dalam-be no mba tranoko itoerako
Tsy mba misy bodofotsy na lamba irakofana
Baoritra sy lambakely ary kapoka no ananako
Eny fantatro ary tsapako, fa izaho koa mahantra
--------
Lien:
Catégorie :
fiainana - Aingam-panahy
Fans:
Ulrichadr