Soratra mitoetra (Vetso mena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Soratra mitoetra sisa no tavelaFa raha izaho efa niandry efa ela
Dia handao, tsy hiverina intsony
Fa efa niezaka fa tsy azoko ny fony
_ Soratra mitoetra sisa no mba tsiaro
Hoe tamin'izany aho niteny hoe fantaro
Izao aho handao, ka hamela dian-tsoratra
Mba ahatsiarovanao ireo diam-pitiavana
_ Soratra mitoetra sisa no hanambara
Hoe ianao ange efa niriako ho anjara
Fa avelao aho handao ka tsofy rano
Efa nisinda ilay alahelo miendri-drano
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Lurissadr