Ny fitiavako anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity foko mitia anao no injao voaentana hikalo izato anaranao tsy hadino rahavanatsy mba taitran' ny hakanton'ny mpandalo
f'efa lasanao avokoa mantsy raha ny fitiavana
Fitia efa latsa-paka no hany tsy mba miofo
efa niaina hatramin'izay ka hatramin'izao
nohaingona oroka sy firaisana ara-nofo
izay no nahatonga ahy tsy mahasaraka anao
Ny fitiavako anao no indro mibahana
ny ao am-poko ao sy ny ao an-tsaiko ao
nipololoitra mafy hany ka tsy voatà na
toa mahenika ny tontolo ara-panahiko tao
Ny fitiavako anao mafonja ry malala
no mihazona ahy hitoetra ankalalahana
lavo aminao ity tenako dia tsy hiala
nivoady aina no fetran'ity fiarahana
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
