Ny fitiavako anao (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity foko mitia anao no injao voaentana hikalo izato anaranao tsy hadino rahavana
tsy mba taitran' ny hakanton'ny mpandalo
f'efa lasanao avokoa mantsy raha ny fitiavana

Fitia efa latsa-paka no hany tsy mba miofo
efa niaina hatramin'izay ka hatramin'izao
nohaingona oroka sy firaisana ara-nofo
izay no nahatonga ahy tsy mahasaraka anao

Ny fitiavako anao no indro mibahana
ny ao am-poko ao sy ny ao an-tsaiko ao
nipololoitra mafy hany ka tsy voatàna
toa mahenika ny tontolo ara-panahiko tao

Ny fitiavako anao mafonja ry malala
no mihazona ahy hitoetra ankalalahana
lavo aminao ity tenako dia tsy hiala
nivoady aina no fetran'ity fiarahana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2820 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 02/01/2012 04:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0688