HOTEZERAKO (VOLAFIHA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia hotezerako ihany ianao
Fa tiako loatra ny higoaka
Ny mamin’ny alatsininao.
“azafady an!
Kony, azafady”
Dia mody aho manenjan’ady.

Dia hotezerako ihany ianao
Fa tiako loatra ny hitroka
Ny atilalin’ilay tohiny.
Mifona ary e!
Mifona”
Vatrako ny tsy miteny mody moana
Mbola te hihaino foana.

Dia hotezerako ihany ianao
Fa tiako loatra ny hifoka
Ny hanitry ny tambitamby.
“aoka moa e!
Ao fa tsy ataoko intsony”
Dia io tokoa fa mody tony
Rehefa tohofanao tarehy

Endrey!
Tiako ianao!
Ny tena izy nanenenako
Fa ngotingoty ihany ireny
Ngotingoty te hihaino.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 11:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311