"IZANY KA MITIA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa ianao no babo sy mamon'ny fitia,Rehefa ianao no katry sy adoladolam-py,
Mitempotempo ery ny fo an-tratranao;
Vitanao hatramin'ny zava-tsy fanao!
F'izany hoe ilay tia.
Rehefa indray ianao ilay tiana sy lalaina,
Mitonitony ery ny aina sy ny saina!
Tsapanao mihitsy f'izany kay ilay sambatra,
Fantatrao ny lanjan'ny teny hoe mitambatra.
Mamy ange ilay tiana e!
Fa kosa rehefa tojo ny ngidy sy mafaitra,
Rehefa ka hoe tojo ny tiana fa tsy taitra,
Dia tsapanao mihitsy ny fonao ngolingoly,
Dia lasa mino ianao hoe misy ny devoly!
Kkk,aza mahavao.
Zavona Rakoto 21 aprily 2026
eto ampahatsiarovana an'i Avana Ramanantohanina
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
Fans:
ZavonaRakoto - NofenoinaNatiora
