"ZANAKO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Tononkalo fahatsiarovana ny zanako vavy; hoan'i Caresse)
Izaho sy reninao mihitsy no nifidy,
nefa...
Lasa ihany ianao.
Nangatsika tratra tampoka ny fo,
Domelona ny loha fa......
Saingy atao ahoana e! Lasana ary ianao.
Aninkeo maraina no nisy ranomaso,
Antso mba nanairana ny fonao mba hitodika
Saingy dila ny ora,dila ny Minitra,
Ny fanampaha-kevitrao mihitsy no efa vita.
Angamba tsy voasoratra ho anay mihitsy ianao.
Omaly sasak'alina,
Nisy tonom-bavaka MBA notefeko izay,
Nisy antsoantso natosako ampanahy,
Nisy tononkira voadilatry ny tanako;
Mba saika ho anao saingy,....
Lasa ianao ry Zanako.
Fa kosa mandehàna,tosahako tso-drano,
Ny lalan-jandrinao no diovy sy tantano,
Tompazo faramparany monja i reninao,
Dia hanombino tsiky raha tena ise handao.
F eto foana i dada mijoro mba ho azy.
Fa aza adino fotsiny raha tena ise ka dila,
Nisy anarana ato nisaloranao,
Kanefa dia tavela;
Mavesatra ny lela saingy ho tononiko ihany,
Tsofy rano mba hoan'ny Zandrinao izany.
Zavona Rakoto 10th August 2025
--------
Lien:
Fans:
SingampitiaSaropady - NofenoinaNatiora
Commentaires
NofenoinaNatiora
(
23/01/2026 13:36)
Mandria ampiadanana Caresse!!!
SingampitiaSaropady
(
24/01/2026 12:16)
❤️🩹😥
Azrael666
(
25/01/2026 12:44)
Mes tardives condoléances!
