''ZAVONA MARAINA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao mahita ianao fafy an-tora-jofoMielimpatrana eny mandrakotra ny lalana?
Zavona io rahavako,jijaka mifofo;
Akon'ny Balika misalotra lambanana!
Mihazona hirifiry fa Zavona,ekena,
Eny,mpitahiry andro ngolingoly,
Aina tia mifofo tsiry novolena,
Fa kosa hoavy tsaran'ny voa an-tanimboly.
Raha toa ianao mahita Zavona Rahampitso!
Dia asehoy ny tsiky ho tsara izay ny andro,
Topazo ka jereo ny tafo sy fanitso,
Fa hielimpatrana eny i Zoky be Masoandro
Zavona Rakoto 09 Aogositra 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
ZavonaRakoto - NofenoinaNatiora
