NOFY (zazah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanonofy nofihininao aho halina;toy ny tena marina
ny zavatra niainako,
tanaty alina tao...
Tsy haiko izay antony,
fa teo no nahatsapako ny hakanton'
ny manonofy ranofotsiny;
Tsy haiko izay ho tohiny
rahampitso,
fa raha tsy mahadiso,
dia tiako
raha mijanona ho nofy fotsiny,
[ aza asiana tohiny]...
Satria akia ry neny,
ny nofy mamy tahaka ireny
no tsiron'ny fiainana.
--------
Lien: