Ny ao anatiny (zazah)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy safosafo mahasafononoka,
na orokoroka mitohoka amin'ny molotra,
f'ilay tao anatiny,
no nahitako fafiny,
tamin'iny olona iny...
Ary iny no tsy tantiny,
fa nampangorovitsika
ny ainy manontolo,
raha sendra voakitika.

Na ny teny maminy,
na ny tambitambiny,
dia fotsiny ambinambiny.
F'ilay zavatra iny ihany,
no tiako teny aminy,
tamin'izany andro izany.

Tsy ilay saininao akory,
fa ny fitia tao am-pony,
no tena nankafiziko
tamin'iny alina iny.
--------
Lien:
Catégorie : vanivany
1332 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : zazah
Inséré par : zazah15
Date : 24/09/2014 06:28
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146