Nampiditra : Randrianarivo
Daty : 29/09/2024 18:15
Nijery : 815
Tononkalo: 10 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Rolly Casimir

Biographie de Rolly Casimir

RANDRIANARIVO Rolly Casimir no tena anarany na i Rolly Casimir hoy izahay namany fony izahay nianatra tao amin'ny LMA(Lycée Moderne Ampefiloha). I Rolly Casimir no solon'anarany entiny misehatra eo amin'ny literatiora.
Teraka tamin'ny 10 Jolay 2001 tao Antanimietry, Kaominina Alakamisikely, distrika Arivonimamo any Manalalondo izy.
Zanak'i RAMORASATA Gabriel sy RAZAFIMANANJARA Mariette.
Mpanoratra, Mpikabary, Poeta, Mpampianatra, Mpampianatra kabary
Mpikambana HAVÀTSA UPEM, Haintso telo, Akon'Antsa.Ireo no fikambanana nahalalako azy ary filoha mpanorina sy mpitarika ny Akon'Antsa tao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha izy.
Ary ankehitriny, filohan'ny fikambanana MPANDOVA MIKABARY izy.
Ireto no toerana efa nanaovany hetsika ara-kolontsaina: Tranombokim-pirenena Anosy, tsimbazaza, Imerintsiatosika, Antanimietry, Manjakandrina sns...

Matetika mandeha onjam-peo sy fahitalavitra izy tato ho ato, isan'izany ny tao amin'ny fandaharana "Bitsika fanahy" TV plus, ny fandaharana "Antsa ho anao" Radio fivoarana, ny fandaharana "Bitsiky ny soratra" Iarivo Radio, "La matinale" récord TV, TVM, "Antson'ny poeta" Free Fm...sns
Teo koa ny gazety, taratra, freeNews, sns

Olona tia ny fomba amam-panao malagasy i Rolly Casimir ary izany angamba no nahatonga azy handalim-pahalalana ao amin'ny "Hai-kanto momba ny teny sy Hai-raha maha olona" eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ankehitriny. Nahazo diplaoma Lisantsa tamin'io seha-pahalalana io izy ny taona 2024 ary eo am-panomanana ny diplaoma Master amin'izao fotoana izao
Tarigetra ahafantaran'ny olon-drehetra sady mampiavaka azy ilay teny filamatra ampiasainy hoe: "Ny tena soldat, maty izay vao resy"

Rolly Casimir, olona tia mamaky boky ny lehilahy , boky maro no efa nolalovan'ny masony ary isany tena mahasarotiny azy ny fanajana sy ny fanomezan-kasina ny boky.Matetika no miady hevitra amin'ny lohahevitra voasoratra amina boky izahay roa lahy. Isany mpanoratra tena nankafiziny i E.D.Andriamalala ary izany angamba hoy izahay sakaizany no nahatonga azy liana sy tia adi-hevitra mandrankariva. Izaho manokana dia sahy milaza ity teny ity:olona sarotra resen-dahatra i Rolly Casimir.
Santatra am-bavarano ihany moa ity boky "Vaingan-dranomaso" navoakany ity fa mety mbola ho avy ny manaraka satria sady manoratra sombintantara, riankalo sy hafa koa izy.
Ohatra amin'ireo lohatenina tononkalo nosoratany: Ranomasony, Ratra, Maty izay vao resy, fitaka, ho an'i zandry, sns

Sento Tokana
Mpanoratra
Poeta Malagasy

In "Vaingan-dranomaso" nosoratan'i Rolly Casimir
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rolly-casimir
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117