***AYAYAH… VALO! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
***AYAYAH… VALO!

1.Rehefa samy te ho lohany - ireo avara-pahalalàna
Ka mitaona mpino maro - mba hanaraka ny azy.
Rehefa ny fitiavan-kely - no manjaka tsy igagàna
Rah ilaozam-pitahiana - ireo mpino, toa voasazy.***

2.Lasa toa nohadinoina - ny tena olan’ny vahoaka;
Ireo zava-manahirana - iandrandrany torohevitra.
Fa dia ireo fombafomba - ankamely sy ampamoaka.
No votoatin-toriteny - zary atao mampievotra.***

3.Miala amin’ny ankanenjika - sy ny fifamasohana
Dia ny didy aman-dalàna - ireo mety sy tsy mety;
Toriteny maina loatra – tsy mampisy fifantohana.
Indraindray az’ ivavahana – mba ho vita vetivety.***

4.Rehef’ilay toriteny - andrandraina mb’ hampahery;
No toa efa zary tsianjery - tsy mampiraik’ intsony.
Hihamarefo ny finoana - ka ny hiafarany ho very; ***
Ilay fah’resena lahatra - mahatonga ny fo tony.

5.Nisy an’kiray izay - tena nahakivy fatratra;
Toriteny tamin’ny andro - ngez’ indrindra eto an-tany.
N’ mihety volo tsy azo atao - hoy izy, raha namatratra.
Nefa tsy mba n’hazavainy - hoe mampaninon’ ary ‘zany! ***

6.Efa fantatry ny maro - ireo karazam-pahotàna
Ny mangalatra, ny miady, - mitsiriritra, manatsafa…
Fa ny zavatra manokana - nahatonga fandraràna.
Moa tsy tokony hazava - mba tsy his’ hitsapatsapa?***

7.Tsy hoe te hampiady rima - ka mikapoka etoana;
Tsy hoe faly ny hanakiana - ka mahita ho tenenina;***
Fa misarika ny saina - amin’ny tranga manoloana.
Ny hamotserana ny ratsy - dia ahitan’izay ho arenina.

8.R’hefa ny fanabeazana - no atao ambin-javatra;
Hivarilavo ny vahoaka - ka ny ratsy no hanjaka.***
Ny fanoroana am-pitiavana - no mampahazo vahatra.
Sy antoka hahatonga - ilay finoana hiorim-paka.


Zoky ABou Nusrayni
24_10_19
--------
Rohy:
809 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142