AZO ALAMINA FOANA IO (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZO ALAMINA FOANA IO

1.”Ny lehilahy ho’ah dia sahala daholo!”
“Ny vehivavy ve? Ireny koa izany mihitsy!”
Izay indrindra ilay fiteny bobongolo;
Ilay finiavana hanapepo tsy mitsitsy.

2.Rehefa ianao no leon’izay nankaleo;
Na koa mety voan’izay nahazo tany;
Tsy izay tojo anao no hizaranao ny toreo;
Fa angaha moa misy ny idirany amin’izany.

3.Raha tsy nahomby tamin’ny vehivavinao,
Na koa nataon’ny lehilahy tototr’olana.
Tsarovy ange ilay fony mbola vady vao;
Vao niara-nonina tsy misy amam-bolana.

4.Na inona antony nahatonga fahasorenana;
Nampanadino ilay hamamin’ny olon-tiana;
Misy foana ny azo atao mba hanarenana;
Ka hampiverina ao indray ilay fifaliana.

5.Raha ny fantatro ary tazako matetika;
Ireo vehivavy tompom-bady sy mihevitra;
Fa efa an-dapa ka tsy ilaina ny mihetsika,
No tampohim-pifaninana ka tezitra.

6.Na ny volony aza lasa ratsy bango;
Ny fitafiny zara raha misy bika;
Izany ve no iainany ao isanandro,
Ka raha tojo anjely kely tsy hivika?

7.Ny lehilahy koa moa amin’ny maha mpianady;
Tsy sarotra aminy ny manafika hafa indray;
Fa manan-tombo ny vehivavy raha hitady,
Hevitra hahatamana azy rahatrizay.

8.Ny lehilahy na lehibe dia toa zaza,
Mila ampifaliana lalandava eny foana;
Ny natiorany rahateo koa dia mpihaza;
Ka mitady hatrany izay tsy misy manoloana.

9. Rehafa hitany fa feno hamamiana;
Ny ao an-trano ahazoany fitsaharana;
Ny any ivelany na hahanao fanahy iniana;
Tsy hampiraika azy intsony ka hifarana.


Zoky Habib
24_01_20
Misy tranga hita nahatonga ilay aingam-panay dia somary nirona tamina anatra ho an’ny vehivavy ny famaranana ilay kanto. Tsy midika akory izany fa tsy misy ezaka tokony hataon’ny lehilahy. Teny misy ihany koa saingy mbola tsy tonga any ny ainga androany.
--------
Rohy:
891 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102