ILAY TENY FIKASANA … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TENY FIKASANA …

Lava ihany izay efa nombàna
Niaka-nidina nitety tanàna
Rehefa mafy ny hanika mazàna
Mandinindinika ny antony niaingàna

Ireo dia natao raha fakafakàna
Misy tsoa-kevitra tsy azo ialàna
Raha izay heriko no mba itsaràna
Dia malemy, feno fahabangàna

Ny finoako anefa tsy tàna
Mahatoky ilay tany Kanaàna
Manavatsava ireo fitsapàna
Velombolo fa tsy mihanahàna

Na tsy mbola tazana izay hiafaràna
Na nifandimby ireo dona mafàna
Misy antoka tsy isalàna
Dia ireo fisitrahako fahagagàna.

Ny ranjoko nisedra fikapàna
Ireo rano tsy haiko nitàna
Ireo eso, ireo fankahalàna
Tsy nampidona ahy tamin’ny tolàna

Ny làlako mbola mikodàna
Voahitsako ireo menaràna
Ireo mpanatsatso, tavela, midonàna
Satria natao ho resy ny ekipan’i Satàna

Tsy misy olana tsy natao ho vahàna
Ka ny fivavaka no ataoko ho Fakàna
Tolo-tsaina amin’ny fandraharahàna
Dia ho tanteraka ireo teny fikasàna.


Abou Nusrayini
Roapolo Iraika Amby Shaoaly Taona Arivo sy Efajato Telopolo Sivy Amby
Na Dimy Jolay Roa Arivo Folo Valo Amby
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - fiainana - Aingam-panahy
623 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143