MANATSARA ANJARA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANATSARA ANJARA…
Efa fantatry ny Tompo mialoha,
Raha ny ho fihetsiky ny olona rehetra;
Ireo be hambo sy ireo mafy loha,
Ireo tsara saina sy ireo mitaretra.
Na ianao mihevitra ho mahay kokoa,
Mitsara ny hafa tsy mahafehy fepetra;
Mety ho avo vava sy mahery tokoa,
Kanefa ny fisianao anie manam-petra.
Navelany hanao izay tiana avokoa;
Saingy nambarany fa misy ny hetra;
Tsy maimaim-poana fa tsy maintsy mandoa;
Ka anjaranao no mifidy tarigetra.

Hiana tsara eo amin’ny fiaraha-monina,
Hanasoa ny hafa fa tsy hihetraketraka.
Sa te ho mpikatsaka ady ho foronina;
Hila vaniny tsy mahay mipetraka.
Ka hanao tahak’ilay tsy tiako ho tononina,
Milaza mitory kanefa be ny tandrevaka.
Tsy aleo ve mitady izay mba azo angonina,
Ho entina hanamafy fa tsy hoe hampitresaka;
Ilay fandrosoana izay tiana ho aorina,
Mba tena hisy fa tsy hijanona ho resaka;
Ka tsy hikenona na koa hikononkonona,
Afa-tsy izay hahasoa ny maro sy ny betsaka.

Koa satria ianantsika izao ny teknolojia,
Efa mora azo ny fahalalana mahatsara;
Ireo fandaniam-potoana sy zava-mampania,
Tsy tokony ho ireny no hataontsika fizara.
F’izay mitondra soa ho an’ity vahoaka ity,
Sy izay mba lova tsara ho an’ny dimby sy fara;
No andao hifantohana sy ezahina satria,
Mbola afaka manarina isika fa tsy tara.
Raha izay mampandroso mako no avadika ho fihy;
Sady ialantsika ihany ireo zavatra voarara;
Inoako marina fa ny fiainantsika ety;
Ho lasa fitaratry ny ankoatra, tsara anjara.

Abou Nusrayni,
21_01_20
--------
Rohy:
712 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101