Ny fijoroana, zava-dehibe … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fijoroana (al istiqam), zava-dehibe …

Lehibe ny fanantenako raha ny amin’ny fitiavany ahy, sesehena
Na dia tsy nataony maro eo am-pelatanako aza ny vola, sy harena
Toa nahatsapa hatrany fa misy mpitantana, tsy mba mahonena
Mitolefika ihany indraindray nefa ahirany ny masoko, tsy jambena.

Jereo hatrany hoy izy ireo izay eo ambaninao, am-panetrentena
Moa va tsy maro ny miatrika ady mafy noho ny anao, ka mivembena?
Tsy manary toky anefa izy ireny ka mifikitra manompo, tsy noterena
Ny anao izay tsy ampahafirin’ny azy ve no andeha atao, hahasorena?

Na tsy maharaka hazakazaka toa taraiky aza ianao, tsy fahalemena
Ny zonao handray tara-masoandro akory tsy vitan’iza hosena
F’indraindray koa ny fon’ny olona mila mandalo sedra, mba ho tefena
Ka ny fijoroana mandroso hatrany hatrany, no handrefesam-pandresena.

Raha sendra mihamafy ny adinao, na nahasolafaka, miarena
Fohazo ilay fahasoavan-dehibe efa natolony anao, ny fahatsapan-tena
Raha mbola tsy very koa ny saina mifikira mafy, ary miambena
Ny fampanantenany hitondra an-danitra izay maharitra, no jerena.

Abou Nusrayni
Jolay 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Finoana - fananarana
614 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01