NY FOTOANA...AL ANSR, adika teny Malagasy (AbouNusrayni)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
WA AL ANSR…adika teny Malagasy1.Ilay Nahary ny lera hanjary ho fotoana,
Raha nanao fianianana tamin’ny anarany.
Dia nilaza faty antoka ho an’ny mpandany foana
Raha tsy hoe tena mino ka ny soa no isasarany.
2.Ny olombelona mifikitra amin’ny fahamarinana
Tsy matahotra miteny sy mamoaka izany.
Ka ny faharetana no andry iankinana.
Entiny misedra ireo kiana sesilany.
3.Inona tokoa moa no tiany hambara?
Ny filazana hoe mpino mila arahin’asa soa.
Io koa no porofo ahafantarana tsara;
Fa tsy very ny fotoana ka dia ho votso-droa.
4.Izany anefa tsy tanteraka raha ts’ misy fitoriana;
Ilay marina izay betsaka no tsy zakan’ny olona.
Indraindray mahavoaenjika, mampitondra fahoriana,
Tsy mora atrehina izany fa tena ady sady tolona.
5.Tsy toriteny fotsiny ihany no voakasika amin’io,
Fe eo dia eo koa ny taonan’olona mandroso.
Ny laharam-pahamehan’ny tanora ankehitrio;
Maro diso ny fipetrany, mahatonga fikoroso.
6.Toy ny felam-boninkazo, mahatalanjona jerena;
Voafetran’ny fotoana raha ny bika aman’endriny.
Ny lalanan’ny natiora ve no ahemotra tsy ekena.
Satria hoe mbola maro ireo zavatra kinendriny?
7.Ny fotoana efa very tsy voasambotra intsony,
Faty antoka miserana ho tsaroana any aoriana.
Aza avela ho very fotsiny fa izany tsy hampitony;
Izay tena mahasoa aza atakalo faniriana.
Zoky Habib
Abou Nusrayni
17_01_20
--------
Rohy: