NY SILAMO SY NY RANO. (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SILAMO SY NY RANO.

1Misy lohahevitra - haroso anao indray.
Isan’ireo zavatra - tsy dia be mpiteny.
Misy soa toavina - amin’ny finoanay.
Mitera-bokatsoa - mihanaka ombieny.

2.Ny olona rehetra - dia samy mba midio.
Na inona finoany - na inona fiaviany.
Fa ny silamo kosa - dia atoro anao anio.
Tena tompon-daka - raha ny rano - fandaniany.

3.Ny fitsipi-pivavahana - mihitsy no efa mafy.
Tsy misy ady varotra - ny fampiharana azy.
Isaky ny avy mivoaka - tsy misy hoe mihafy.
Ts’ maintsy mampiasa rano - raha tsy izany dia voasazy.

4.Ny vavaka silamo - dia tsy mba azonao atao.
Raha tsy efa nahavita - fisasana roa misaraka.
Ny fanasana ny faritra - izay nivoahanao
Arahim-pisasana - fanomanana ny vavaka.

5.In-dimy isan’andro - anefa ny fotoam-bavaka;
Ka ny tontolo andro - dia mitandrina hatrany.
Tsy amin’ny vatana ihany - no misy fomba miavaka
Fa na ny akanjonao koa - arahi-maso eny ihany.

7.Misy lisitra manokana - tsy azo adino velively
Mitanisa ireo loto - ho tandremana tsara
Raha ireo no mahavoa - na hoe mikasoka kely
Tsy azo entina mivavaka - ny akanjo fa voarara.

8.Ny sasa lambaan silamo - mampitombo rano lany.
Na loto tsy hita maso - fa vao hoe mampiahiahy
Dia efa alefa sasana - mba tena hadio hatrany.
Tsy aingitraingitra io akory - fa fitaizana ny fanahy.

9.Ny fisasana im-be dia be - fanao tontolo andro,
Izay mitohy hatramin’ny alina - raha sendra hoe mivoaka.
Dia mamolavola saina - mba ho malina sy hitandro
Ka ho maodelim-pahadiovana - eny anivon’ny vahoaka.

10.Ireo maloto hita mihanaka – manerana ny lalana.
Tena azoko lazaina, -tsy mba nataona silamo.
Tsy sanatria manava-tena -na sanatria mialangalana.
Fa raha fahadiovana no resaka, - ny silamo tsy mba kamo.


11.Ny fitandremana voavoly - ao an-tsaina ka manaraka;
Hatramin’ny rano sy sakafo - no efa voalanjalanja.
Misy kajy atao foana - fa tsy avela gaboraraka.
Isorohana ny hoe poritra - ka handraraka eny an-kianja.

12.Izany rehetra izany - miantraika amin’ny saina.
Fitaizana voadidy- mba hampisandratra fanahy
Raha mahita ianao silamo - toa tsy mahay miaina.
Ny maha mpino azy mihitsy - no efa tena mampanahy.


Abou Nusrayni
11_02_20

Ialako tsiny, ialako fondro, ialako salohy fito, ialako hatezerana, ialako fahasorenana, ialako fankahalana, raha misy fomba fiteny mety ho nandratra sofina fa tsy mora ny mampita hevitra sady mampiady rima.
--------
Rohy:
1134 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104