TRA-BOINA TOA JONASY (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TATITRA :
Rehefa ny vahoaka mpino no manajanona ny fampirisihana amin’ny asa soa sy ny fandrarana ny asa ratsy dia tsy misy vavaka ho raisin’ny Tompo intsony.


TRA-BOINA TOA JONASY ?

1.Raha vao naharay antso fa tafiditra ny rano ;
Mety mbola tsy dia taitra mahare izany teny.
Na mafy saina toa inona raha sendra ny angano;
Mitolefika ihany…ny lohalika, malemy.

2.Ny rano hatreo an-dranjo, mety tsy dia mampanahy.
Mbola ny mampiakatr’entana no hita fa hoe mety;
Rehefa kosa am-balahana, efa ho very ny fanahy.
Izay haavotr’aina haingana no maika vetivety.

3.Amin’ny tranga toa izany, tadidy tampoka ny Tompo;
Na somary efa nala, nanalavitra Azy teo.
Ny loza izay manambana atahorana hihombo.
Ka dia velom-pivavahana mahay manandram-peo.

4.Izay no mahaolombelona tsy ifanomezan-tsiny.
Fa ny fahaiza-maka lesona no maha olon-mendrika.
Rehefa avotra ka dify koa iny loza iny.
Mankato Azy amin'izay sa miandry misy maharendrika?

5.Isan’andro misy maty tsy haintsika akanana lesona;
Raha mbola tsy amin’ny tena dia natao tsy dia ho zavatra;
Ny fiainana eto an-tany mahavariana sy mampiesona;
Rehefa tonga ny famaizana vao mitalaho fatratra.

6.Ny tokony ho tsaroana ho an’ireo izay mpivavaka,
Ny tora-bato avy any an-danitra tsy mba mifidy tafo.
Ny asa fitoriana aza mb’ asiana avakavaka;
Satria hiaraka ho voa, fa tsy hisy ny voasafo.

7.Ny filan-tsitraka aman’olona tsy mba fatao filamatra.
Izay manilika ny hafa koa mandrora miantsilany.
Na dia be ny tsy ho faly zarao hatrany ireny anatra;
Izay mialangalana amin’izany tsy afa-maina eto an-tany.

Abou Nusrayni
28_01_20
--------
Rohy:
636 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104