Aza arahina tomany... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza arahinao tomany
ny filazako anao izany
fa ny ahy fitia tsy matotra
ka tsy azonao hafatotra

fantatro fa tsy mety
ilay fitia vetivety
fa mapisy hirifiry
ny ezakao izay hikiry

ianao mantsy nanantena
fa ny fo azo terena
anefa lazaiko aminao
fa diso ny fihevitrao

ny fitia tsy kilalao
tsy laviko ny teninao
fa io koa mapijaly
raha toa tsy mifamaly

aleo faranana ny vita
fa tsy mety ny amintsika
aza asianao toloko
izay faharatsian'ny foko

mendrika ny soa ianao
ka aoka ijanona amin'izao
satria ny ahy dia ditra
ka aza asina tsiriritra

hiala aho fa tadidio
fa raha tsy nety ny anio
ny saina ataovy ambony iany
andeha fafao ny tomany...

tsy maitsy ho avy ny fitia
izay hijanona ho doria
ka ny fitiavako ankaso
tsy hampirotsa-dranomaso.


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1107 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/03/2010 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014