Fitadiavana (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miasa foana ny an-doha
na maraina vao mifoha
fa hitady mahasoa
ka ho lafatra tokoa

indrisy anefa indraindray
fa tsy azo na ny iray
ireo kasaina fa ho anjara
ka dia mijanona ho tantara

tsy ho kivy tsy ho ketraka
fa dia milanja na mavesatra
miandry ihany miandry foana
tsy hanaiky oe ho noana

mitady zavatra hafa indray
mafy fa tsy mety fay
mikandrakandra izay mba mety
na dia tsy amin'ny andro fety

izay moa ny ety an-tany
fadiana ny ho kivy izany
fa mikatsaka hatrany
na hatraiza ny hafarany.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1313 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 11/03/2010 16:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146