fitaka fitia (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mangidy sy mafaitra
ratsy tsiro ka tsy laitra
ilay fitia nambabo ahy
nampisaringotra fanahy

nanafana ahy toy ny afo
niharo trano toy ny tafo
noheveriko fa tena ho ahy
ilay fitiavanao nefa hay...

fitiavana ny tena ihany
izay efa misy hafarany
fa tsy fitia nisy fo babo
tsy nanandratra ho avo

ilay fitiavako malemy
nikasa ho avo folo heny
nefa voakapa ka dia resy
ka nidingina ilay fetsy

ilay fitia hoe mody gisa
izay nampandry ny adrisa
fitaka izay mandavaka
fa tsy natao ho firavaka

fitia tsy faseho ny andro
neveriko ho soa kanjo...
nirefotra tsy hita taratra
nipoaka mafy toy ny varatra

ny foko anefa tsy ho lavo
ka ho rendrika toa sambo
tsy ahita intsony izay miratra
fa ho tafarina, hirifatra

ekeko fa resy aho tamin'ity
anefa faharesena tsy doria
fa ny ratra mbola hisy takony
ny foko faly koa hisy akony

ny fitia fitaka mandalo ihany
tsy hoe fery tsy hisy hafarany
fa mbola hoavy ny fo tena tia
izay hijanona, aharitra doria


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1576 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 06/08/2010 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142