Ny fitiavantsika (AMN (Arialy))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na inona misehoizaho tsy ho leo
na havesatra ny entina
tsy aho no hanisy pentina
ny fitiavako madio
de lazaiko anao anio
tsy hiova na oviana
na misy tamby na vidiana
Ianao irery no ao am-po
eny fitia, tsy mety ho lo
lazaiko marina eto izany
fa ianao irey hiany
marina fa tsy mora foana
satria be koa ny manoloana
izay mampisy ahiahy
ka mandreraka fanahy
fa na dia eo aza izany
ianao irery hatrany
no mibahana ao am-poko
na faly izany na toloko
ka raha misy manatsatso
ekeko ianao fa tsy hiato
fa hitia sy hanambara
izay hany voatantara
lazaiko fa ireny foana
no manimba ny finoana
ka mandrava ny fitia
izay kasaina ho doria
ka averiko eto indray
fa tsy misy hapitodika ahy
ny fitia izay nekeko
tsy ho zaraiko na ameko
ny antsika efa izay
nifanekena oe miray
ka ekeko fa tsy hisava
na dia maro ny mpandrava.
AMN (Arialy)
--------
Rohy: