Ry maraina ô... (AMN (Arialy))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry maraina itondra soa, raha ho avy iany ianao dia iangaviako anie, mba halaviro ny talaho
izahay moa marofy , mora reraka sy ketraka
aza avelanao irery, hamaivano ny mavesatra
ry maraina izay ho tonga, ianao no andrandraina
mba hitondra ny sahaza, hampihena ny taraina
izahay izay miantso, mila izato fanampiana
aza asiana gidragidra, indrindra ny rà mikoriana
ry maraina hoy aho lazao, raha mety anie izany
inona no mba hatao ? hanafoana ny tomany ?
itondrao hoy aho izahay, na dia sanjila kely ihany
aza asiana ireny loza , izay manimba ny ankany
ry maraina ô oviana no mba ho taratra madio
no haely amin'ny tontolo, raha mety, dia anio?
tsy asiana hatak'andro, izay no mba faniriana
mba ho soa ny fiainanay , tsy ahita hakiviana
ry maraina tsy mandao, hataka iany ireo anefa
oviana mihitsy no hoavy ? ilay taratra mitoetra?
hijanona eto ny mazava, ka ho foana ny hoe ratsy
hisy foana izay ilaina , izahay tsy ho lany vatsy
Hisy ve izany, ry maraina tianay haharitra eto?
moa hanofy izahay , fa ho afaka ireo sento ?
raha nofy iany anefa, tsy ho mora ny hifoha
ry maraina ô, raha mety, mba hafaro ny Tsy toha.
AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Aingam-panahy