--LOVAKO NY FAHAIZAKO-- (and)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
--LOVAKO NY FAHAIZAKO--



fahaiza no lova tsara ka atao filamatra
nefa tsy hitahita foana fa mila mianatra
ny manana azy mamiratra jerena
hatanjaka eo amin'ny fiainana ary tsisy kilema


fianarana no lova tsara indrindra
ny manana azy ny fiaina mirindra
mikiriza milofosa mba ho tafa
fa ny fiainan'ny tsy nianatra hafahafa



fa ny fahaizana no lova tadiaviny marobe
satry ny manana azy tsy very mande
katsaina izy satria tsara
sy ho reharehan'ny dimby sy fara


(R.A.A.Z.N)
--------
Rohy:
1074 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : and
Nampiditra : zurahrakotonanahary
Daty : 21/11/2018 08:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098